MISY FARANY (Ludger Andrianjaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
         Ny zavatra hatomboka rehetra
         Dia hifarana hatreo amin’ ny fetra
         Efa fantatrao, f’izay niandoha
         Dia mbola hisy farany koa

         Ny mateza dia tsy misy firy
         Fa na misy aza, angamba dia kiry
         Ny endrika sy bika soa
         Dia samy ho simba avokoa
         Na tanjaka na hery
         Dia mihena ary koa mihavery
         Satria, raha tonga amin’ ny fetra
         pbmh Dia hifarana toy ny rehetra
        
Na ireo hira, na ny feo manga
         Tsy hisalasala fa angamba
         Rehefa lany ny tsirony mamy
         Dia ho adino indray andro any
         Hembonembona sisa hampitsetra
         Hisolo hafa toy ny rehetra
        
  vdxvfs        Na rano mandeha eny an’ony
         Ireo voninkazo mamony
      kqztz    Ny vorona, mikalokalo
         Tsy hitoetra ao, fa samy handalo
         Handao toy ny zava-drehetra
         Rehefa tonga ny andro voafetra
         Tamin’ ny andro, ny volan-tantely
     tononkira.serasera.org     Dia hifarana tsikelikely
         Satria angamba izay niandohana
         ka tsy maintsy hifarana ihany.
        
         Mpihira : Ludger - Jeanne NaIy
        

--------
Link:
Comments
Kotsur ( 21/05/2026 18:45)
Misy fanintsiana kely mikasika ity kapila ity: Ossy no voalaza eo fa rehefa henoina dia i Ludger Andrianjaka sy Mme Jeanne Naly no mihira. Tsy manary ny sofina. Ny iray minitra monja kosa dia an'i Ossy tokoa hiranay sy Mama malala.
hery ( 22/05/2026 07:53)
Misaotra anao hatrany
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ludger Andrianjaka
Hits : 7753
Likes : 0 Like
Created by : Désiré Dauphin Rasolomampionona
Date : 16/09/2004 08:58
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0412