RAY Ô (Lola (lahy))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ray ô misaotra Anao lehibe tokoa anie ahoRay ô tamy zava-tsoa marobe nomenao
Ray ô tsy voatanisa anie izy ireny fa dia maro
Misaotra Anao
Midera Anao
Tsy mendrika ny hiantso ny anaranao akory
Satria mpanota
Be koa ny adalan’izay vita
Mifona aho Ray hiezak’aho ny hanara-dia Anao
Mamelà
Ny helokay avelao
Fiv.: Tsinontsinon’akory aho Tompo ô
Zava-poana rah’tsisy Anao
N’inon’inona heriko
N’inona fahaizako
Tsinontsinon’akory aho Tompo ô
Zava-poana rah’tsisy Anao
N’inon’inona heriko sy fahaizako
2. Na mafy aza ny manjò sy ny fiainanay etY
Matoky aho manan’Anao mitantana manoro dia
Tsy irery aho na dia kamboty mahantra kely Ray ô
F’Ianao no miahy
Ianao tia ahy
Na mafy aza ny manjò sy ny fiainanay etY
Mbola matoky aho manan’Anao mitantana manoro dia
Tsy irery aho na dia kamboty mahantra kely Ray ô
F’Ianao no miahy
Ianao tia ahy
Hatrizay
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Lola (lahy)Hits : 13312
Likes : 3 Like
Created by : Belle
Date : 09/02/2004 07:53