Mpamindra fo (Lola (lahy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra dia tia antsika
Ny fitiavany tsy voatanisa
O o o o! saintsaino, fa Izy tsy sasatra miaro
Andriamanitra de lay nahary
Raha solafaka, Izy tsy manary
O o o o! asanao, fa Izy tsy mandao

Ref: Mpamindra fo anie Izy, lay Andriamanintsika
Tsy mila tambiny mihintsy,
Ny fitiavany tsy mety ritra
Ray ô andrandrainay, Izy no fanantenana
Ho Azy lalandava ny dera sy laza

Isika navahany, tamin’ny maro
Nampanjakainy tamin’ny zavaboahary
O o o o! inona intsony,
Fa ny zava drehetra efa foiny
Izy tsy mba manao andolom-po
Raha hibebaka, raisiny an-tanan-droa
Izy ilay tena Andriamanitra Ray

Ref: Mpamindra fo anie Izy, lay Andriamanintsika
Tsy mila tambiny mihintsy,
Ny fitiavany tsy mety ritra
Ray ô andrandrainay, Izy no fanantenana
Ho Azy lalandava ny dera sy laza


Mandrakizay ny fiainana ao @ Ray
Na raha oviana ny fitiavany ho doria

Ref: Mpamindra fo anie Izy, lay Andriamanintsika
Tsy mila tambiny mihintsy,
Ny fitiavany tsy mety ritra
Ray ô andrandrainay, Izy no fanantenana
Ho Azy lalandava ny dera sy laza
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lola (lahy)
Hits : 11877
Likes : 2 Like
Created by : AndryRAJO
Date : 22/08/2010 20:46
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784