Mandra-maty (ft Stéphanie) (Lola (lahy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsapako avy hatrany ny hasambarana
Nohon’ny fisinao, lavitry ny aizina aho
Mibaliaka ny androko
Misinda hatreo ny ahiahy,f’ilay fitia nomenao
ahy
Mampatoky, ato am-poko mandrakizay

Ela loatra no efa niandry
Ity ora ity, izaho sy ianao
Minitra iray izay sarobidy
Ho fiainam-baovao
Tanteraka ireo nofinofy
Ka manombok’izao
Mandramaty…
Ny voady izay niaraha-nanao!

Io segondra iray no hamehezanay
Ny fifankatiavanay
Nokoboninay hatrizay,
Hiara-dia! (hiara-dia)
Ho doria

Izaho sy ianao hifaly hifankatia
Anatrehan’Andriamanitra
Ho ren-tany aman-danitra
Ela loatra no efa niandry
Ity ora ity, izaho sy ianao
Minitra iray izay sarobidy
Ho fiainam-baovao
Tanteraka ireo nofinofy
Ka manombok’izao
Mandramaty…
Ny voady izay niaraha-nanao!

Mandrakizay, hitambatra ho iray
Mandrakizay ny fanirianay
Mandrakizay, hitambatra ho iray
Mandrakizay ny fanirianay
Mandrakizay, hitambatra ho iray
Mandrakizay, hitambatra ho iray

Ela loatra no efa niandry
Ity ora ity, izaho sy ianao
Minitra iray izay sarobidy
Ho fiainam-baovao
Tanteraka ireo nofinofy
Ka manombok’izao
Mandramaty…
Ny voady izay niaraha-nanao!

Mandrakizay, hitambatra ho iray
Mandrakizay, hitambatra ho iray
Mandramaty reo voady zay niaraha-nanao
Mandramaty reo voady zay niaraha-nanao
--------
Link:
Comments
tiavn ( 24/11/2015 15:37)
ka taitra
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lola (lahy)
Hits : 15853
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 01/04/2015 01:01
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012