Mampitempo ny fo (Lola (lahy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
  Hatry ny ela be no efa nanairiako anao
   Ity foko izay tsy mitsahitry ny mitempi anao
    Mangotraka hatrizay ilay afo pitiavana
     Miboiboika ka tsy tana ny hafanana

Ny fitiavako rehetra
Omeko tsisy fetra
Ho anao irery ihany
Na ny aiko aza foiko raha ilaina izany

Ref: Tiako ianao ooo
         Omeko ny fitiavako
          Ahy ianao ooo
            Ra mikoriana anatiko
              Ianao ooo
                 Ianao no mampisento mampitempo ny fo

Ny ho avy ao aoriana Inoako fa hamiratra
Hilamona hampifaliana Hanilan'ny tiana
Ireo dimby sy fara Vao maika hanamafy  Indray ny tantara  
Tena fianakaviana Tsy ho lany hamamiana
    Mikoriana hatrany anaty
    Fitiavana tsy mety maty
    Modely ,mandrak'izay doria
     Ilay fitia ooooo

  Ref:
  
         Tsy ho voarebirebin'izay fakampanahy
         N'iza n'iza hanakatsakana ny anay
         Ho sasa poana ireo izay ,
         Te hikasa, ny handrava,ny fitiavanay
  Ref::
                By: Thents
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lola (lahy)
Hits : 13507
Likes : 1 Like
Created by : thents
Date : 31/05/2017 15:00
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127