Raisonareo ny mpanompoko (LES JUVES)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raisonareo ny mpanompoko
Fa ireo no soloko
Raha noana izy omeo hanina
Mangetaheta omeo rano koa
Izay vitanao amin'ireo madinika ireo
No vitanao amiko koa
Fa tsy ho very ny valim-pitianao
Izay nomenao azy ireo

Refrain;

Sambatra re ny manome
Noho ireo izay mandray
Raha toa omena am-pitiavana
Nadia kely fa soa re

2-Mifankatiava tsara hianareo
Mba ho fantatry ny olona
Fa mpianatro tokoa hianareo
Raha toa ka mifankatia
Mandehana araka ny fanahy
Hianareo rehetra ireo
Fa tena vokatry ny fanahy
Fitiavana fanaovan-tsoa


ANDRIANAHINA
Jean Leopaul Juvenot
Mpampianatra hira;
Sekoly Alahady
TSILAINTAFIKA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : LES JUVES
Hits : 663
Likes : 1 Like
Created by : hirajuves
Date : 10/11/2018 16:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733