Ny hafaliana (Landy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sol Ny hafaliana misy izay hiainanao
No ahitana tsiky misoritra aminao
Fa fitiavan-tena 'zany hafaliana izany
Rahatoa tsy ho zaraina fa ho anao ihany D.C.

$
Re Diboka hafaliana angamba ianao
Hafa noho ny hafa ny andro anio
Satria ny faniriana anatinao
No indro fa miseho an-tavanao
Ka tojo fifaliana fa sendra olon-tiana
Ka tojo fifaliana fa sendra olon-tiana D.$.

Sol Koa rah' ny hafaliana no lazaina
Sahiko miteny tsotr' izao
Ny fifaliako feno, ampy ho zaraina
Tsy tiako ho ahy irery fa tena ho anao
Ny fifaliako feno, ampy ho zaraina
Tsy tiako ho ahy irery fa tena ho anao

Fa tena ho anao, fa tena ho anao .


. Mpihira : Landy
. Feony sy tonony : Noël Rakotoarivony
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Landy
Hits : 3326
Likes : 0 Like
Created by : Chri
Date : 23/07/2009 12:26
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3797