Tsara antoka (Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And. 1:
Tsy mba manan-kianteherana
aho Jeso raha eto an-tany
Fa mijaly sy mahantra aho
vonton-tomany o!
Soa fa mbola eo Ianao,
Ilay hany sisa mba tia ahy
Nanome toky hiara-dàlana
amiko mandrakizay

Isan-andininy:
       Izaho mino anao
       n'aiza re no misy tjhwnj ahy
       Satria tsy mandao
       ahy ianao raha mbola ety
       Fa tena mahatsara ahy kpusdfv
tononkira.serasera.org   wgqdepzw     ny akaikinao ry Jeso tia
       Tebiteby, ahiahy ho foana:
       TSARA ANTOKA AHO

And. 2:
Fantatro fa ny eto an-tany
dia miserana, mandalo
Toy ny voninkazo
mora lo sy malazo o!
Fa ny manana Anao
dia tsy ho faty rahatr'izay
Fa nanomananao
fiainan-kafa: paradisa soa

Isan-andininy:
       Izaho mino anao
       n'aiza re no misy ahy
       Satria tsy mandao
       ahy ianao raha mbola ety
       Fa tena mahatsara ahy
       ny akaikinao ry Jeso tia
       Tebiteby, ahiahy ho foana:
       TSARA ANTOKA AHO

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0474