Ry Tompo Tsara (Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
"Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho."- 2Samoela 22:20

-Ry Tompo Tsara-

And1:
Ry Tompo Tsara, indro anio
No hanavaozako ny fanekeko hanoa
Tsy mba an-tery, na koa tsy nahy
Fa resy lahatry ny fitiavanao

Fiv:
Ny fatotr'ota, izay nahavoa
Endrey fa novahana, fa tsy nahasoa
Ny faniriako, raha sitrakao
Ny mba hitoerako eo an-tratranao

And2:
Tsaroako anio ny holatrao
Lay maripamantarana amy tànanao
Fa efa vita ny asanao
Ho famonjena ny fanahy tsy ho very


KORAITA 2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga)
Vangy : 127
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Harijesy
Daty : 14/09/2025 12:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0674