Tonga vahiny (Justin RAJORO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga vahiny ianareo
Hitondra ny hafatra sy ny feo
Koa samia mifaly , samia miravo
Fa samy tantanan’ny Avo
Faly manatrik’entoana

Sarasara tsy ambaka , tompoko ô !
Toy izao ny fiarahaban’andriana
Ataonay amin’olon-tiana

Lalao re no ataonay amin’ny anatra soa
Ataovy voankazo an’ala
Ny mangidy re aloavy , ny mamy kosa atelomy
Mahaiza mifidy ny tsara ho todin’ny soa
any ampara
Mahaiza mifidy ny tsara ho todin’ny soa
sy ny anjara

Arosoy amin’izay re fa manina azy
Fa fitia mivaly , fitia tena mivaly fitia
Fararano aza tonga ririnina mainka izany
fa raha fahavaratra (bis)

Sarasara tsy ambaka , tompoko ô !
Toy izao ny fiarahaban’andriana
Ataonay amin’olon-tiana
--------
Link:
Comments
narihe ( 04/12/2015 19:22)
Miarahaba Tompoko,
Aleo ahitsy ihany koa io hira io. Tsy ANDRIANARY RATINARIVO no namorona fa i JUSTIN RAJORO. Misaotra
ikalamako ( 06/12/2015 23:31)
misaotra indrindra ooooo.. tafiditra ihany koa ny fanitsiana
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Justin RAJORO
Hits : 19026
Likes : 3 Like
Created by : Fiffi
Date : 28/05/2007 11:23
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118