Tsy fantany intsony (Johasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ohatran'ny tsy fantany intsony, rehefa mandalo aho
Ohatran'ny adino daholo, ireo sangisangy maro
Ohatran'ny tsy olona akory, fa dia nandalovany aho
Hay efa nivalona hono, tsy asiany resaka intsony e

Teny Ambohimahitsy aho, avy nisotro kafe
Amin’ny 6 hariva izao, efa maizina be
Soa ihany fa misy jiro kely, mbola mandeha
Ahitàna an’ireo mpirevirevy, mpanao karaPARFAITe

Vetivetika teo aho, dia nahita tarehy
Ohatran'ny efa hitako oa, olona fantatro ve?
Hay kay vehivavy fantatro izy, lasa aho namisavisa
Efa niaraka kely mihitsy, roa taona raha tsy mahadiso

Ohatran'ny tsy fantany intsony, rehefa mandalo aho
Ohatran'ny adino daholo, ireo sangisangy maro
Ohatran'ny tsy olona akory, fa dia nandalovany aho
Hay efa nivalona hono, tsy asiany resaka intsony e

Na fohy aza lay fotoana, nifampizarana fitia
Noheveriko fa tsy ho foana, fa hisy hiangana akia
Nofafanao toy ny vovoka aho, fa angaha nandoto anao?
Nakisakao toy ny vato aho, fa angaha nanakana anao

Ohatran'ny tsy fantany intsony, rehefa mandalo aho
Ohatran'ny adino daholo, ireo sangisangy maro
Ohatran'ny tsy olona akory, fa dia nandalovany aho
Hay efa nivalona hono, tsy asiany resaka intsony e
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Johasina
Visites : 194
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : johasinarison
Date : 02/06/2025 11:00
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0181