Raozy (Johasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raozy, refa milatro ianao dia mihovitra ny tany e
Raozy, refa mahita anao mahiratra ny jamba e
Raozy, refa maheno anao dia miadana ny sofiko e
Raozy, na voninkazo aza mialona anao e

Tena lafatra tokana ihany Raozy

Raozy a, maniry mafy ny ho figonao e
Raozy yyy, hibangoko ilay volonao e
Raozy aaaaaa, maniry mafy ny ho fitafinao e
Raozy oaaaaa, hisafoko ilay bika bika bika tsara loatra e

Tena lafatra tokana ihany Raozy

Krutambull:
Raozyyy, manataitra ny filàna, mampangorintsina
Raozyyy, manome hafanana any anaty aingam-panahy
Raozyy, tiako ho ahy irery tsy zaraina amin-dry zalahy
Raozyyyy, rahoviana ihany lah

Raozy, ny takolakao no tiko iondanana e
Raozy, ny feonao no tiko androtsy maraina e
Raozy, iangaliako ny anaranao e
Raozy, na ny moana raozy oa dia miteny miteniteny foana e

Tena lafatra tokana ihany Raozy

Krutambull:
Raozyyy, manataitra ny filàna, mampangorintsina Raozyyy,
Manome hafanana any anaty aingam-panahy Raozyy, tiako ho ahy irery tsy zaraina amin-dry zalahy Raozyyyy, rahoviana ihany lah

Toa lasalasa bebe kozy aho hatramin’izay
Nifanenako tamin’i Raozy e, rahoviana indray
Mbola tohizantsika foana lay ohatrzay zay

Raozy raozy raozy raozy raozy raozy oaa,
ny endrikao mibahana ato antsaiko e
Raozy, tsy voatanisa ny hakantonao
Tena lafatra tokana ihany Raozy

Tena lafatra tokana ihany Raozy x 4
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johasina
Vangy : 130
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : johasinarison
Daty : 09/01/2024 07:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733