Papango (Johasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N'inona n'inona atao, misy foana ny miandry ao
Miandry ny fotoana hianjeranao an-kady
Mitsikera tontolo andro, aleoko ihany papango
Na tsara na ratsy no atao, tsy maintsy misy manely tsao
Milàza ny tenany ho lafatra noho ianao
'Ty misy paika ka andramo, mivadiha papango

Misidina eny ambony lanitra
Tsy mba ho very fa tohanan'ny rivotra
Mitafatafa amin'ny rahona, tsy maheno an'ireo feo mampihemotra
Misintona mba hidina any an-davaka

Toa tsara rehefa mihaona aminao
Ivelan'ny toraka bilao
Izany ve no mba hitanao hampandroso ?
'Ty misy paika ka andramo, mivahy papango
Na tsara na ratsy no atao, tsy maintsy misy manely tsao
Milàza ny tenany ho lafatra noho ianao
Ty misy paika ka andramo, mivadiha papango

Misidina eny ambony lanitra
Tsy mba ho very fa tohanan'ny rivotra
Mitafatafa amin'ny rahona, tsy maheno an'ireo feo mampihemotra
Misintona mba hidina any an-davaka

Mahafinaritra mamelon'aina
Eny an-danitra no maka saina
Hiala lavitra an'ireo taraina

Misidina eny ambony lanitra
Tsy mba ho very fa tohanan'ny rivotra
Mitafatafa amin'ny rahona, tsy maheno an'ireo feo mampihemotra
Misintona mba hidina any an-davaka

Misidina eny ambony lanitra
Tsy mba ho very fa tohanan'ny rivotra
Mitafatafa amin'ny rahona, tsy maheno an'ireo feo mampihemotra
Misintona mba hidina any an-davaka
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Johasina
Hits : 1140
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 10/10/2018 09:29
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116