Soava (Johary)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manomboka mihilana amin'izay ny masoandro,(Soava e!)
Te hisaraka indray
F'efa tsara ka voaray
Izay niarahana teto hatram'izay.
Ny lalana ho diavina toa lavitra akaiky,
(Soava e!)
Ndeh mba ody ihany izahay
F'efa vita ny anay
Ianareo rahateo moa sao dia taraiky.
Hirahira sy mozika izay natao
Nampifamatotra an-tsika teto hatram'zao
Ny fo sy ny sain-tsika samy faly
Niara-nidoboka avy eo dia niara-nifamaly.
(Mampamangy, izay ny androany)
Tsy maintsy manainga
Na dia mbola malaina
(Mitsangana, mandehana)
Izay vitan-tsika teto ho zaraina.
Tsy tafandri-mandry izay efa miandry
(Ody e!)
Dia hisaraka amin'izay
F'efa tsara ka voaray
Mbola maika hitantara amin'zoky sy zandry.
Mba maika hikoranako ny any an-tanana
(Ody e!)
Ndeh mba ody ihany izahay
F'efa vita ny anay
Tsy maintsy hisaraka ihany na mbola tamana.
Hirahira sy mozika izay natao
Nampifamatotra an-tsika teto hatram'zao
Ny fo sy ny sain-tsika samy faly
Niara-nidoboka avy eo dia niara-nifamaly.
(Mampamangy, izay ny androany)
Tsy maintsy manainga
Na dia mbola malaina
(Mitsangana, mandehana)
K'izay vitan-tsika teto ho zaraina.
(Mampamangy, izay ny androany)
Tsy maintsy manainga
Na dia mbola malaina
(Mitsangana, mandehana)
Izay vitan-tsika teto handrandraina!
*Faingana faingana oah ny dia eh!, soava e! (X2)
Ny masoandro hilentika, volana hitranga
Ny hazavana tsy ho tapaka, hitohy tsy ho banga
Ho tohizana hatrany an-tanana ny korana
Na tsy haraina aza fenoy hafanana!
Ieeh ee! ôôoh!!
(Mampamangy,) Mampamangy e!..
(Izay ny androany) ..izay ny androany ieh!
Tsy maintsy manainga
Na mbola malaina, ny hiala eo!!
(Mitsangana,) Mitsangana!..
(Mandehana) ..mandeha
Izay vitan-tsika teto ho zaraina ieh e!
(Mampamangy,) ...
(Izay ny androany) ...
Hey!!, Tsy maintsy manainga
Na mbola ma..!!, ma.mamama!!! ma!!
(Mitsangana,) ...
(Mandehana) ...
Hoo!!, Izay vitan-tsika teto handrandraina!!
(Mampamangy,) Faingana faingana oah ny dia eh!..
(Izay ny androany) ..soava e!, soava e!
Faingana faingana oah ny dia eh!..
(Mitsangana,) ..soava e!, soava e!
(Mandehana) Faingana faingana oah ny dia eh!
Soava e!, soava e!
(Mampamangy, izay ny androany)
Faingana faingana oah ny dia eh!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : JoharyVisites : 10
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 06/02/2026 18:22
