Izy (Johane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izy,nanao izay rehetra rehetra ho an'ialahy
Nanolotra an'ilay ilay hira ''Noho ialahy''
Dia nanantena be hoe fa ialahy
Tsy hitovy @rehetra aloha raha samy hoe lehilahy
Izy, nanao ny ainy tsy ho zavatra satria...
Mba nanantena be hoe ilay fitia
Tsy hisy hisampana ho any havanana,tsy hisy hisampana any avia
Fa nofy zany hisaraka, lay hoe dila sanatria...

Fa kanjo kay toa nofinofy ny azy
Fa sendra ny tolana izy,fa tsy le nofinofiny no azo
Tsy lay ho vady mandramaty fa lay fofofofony ihany
(Lay fofofofony ihany)
Fa kay tsy tokana fa be lokoloko ny azy
Tsy ilay mba nadio fo fa be lotoloto ny azo
Toa lasa ranomaso ilay mba nofinofy ho azy
(Nofinofy ho azy )

Izy, mba nanantena be hoe fa ny ho avy
Masoandro hiposaka be hoa ny anazy
Efa vita kajy hatramny mariazy
Resy lahatra fa tsisy toa an-dry raha vehivavy
Izy, nirehareha fa hoe hafa ianao
Sipa tia mandefitra sady zatra miafy ianao
Tsy ho sendra fakam-panahy satria efa mafy ianao
Dia efa mba nanolotra an'le ''EFA FANTATRAO''

Fa kay tsy tokana fa be lokoloko ny azy
Tsy lay mba nadio fo fa be lotoloto ny azo
Toa lasa ranomaso ilay mba nofinofy ho azy
(Nofinofy ho azy )
Fa kanjo kay toa nofinofy ny azy
Fa sendra ny tolàna izy,fa tsy le nofinofiny no azo
Tsy lay ho vady mandramaty fa lay fofofofony ihany
('Lay fofofofony ihany)


Ekena lehilahy ihany izaho
Mba manam-pitiavana anie ihany zaho
Mahatsapa marary ohatranao ihany ka..
Dia mba diniho ny atao ihany fa...
''Izy'' Izy niaritra ny ditraditranao
Izy niaritra ny laingalainganao
Izy niaritra ny toetra ratsinao (akornao' kaih!)

Rehefa tia nge hoa toy ny tsy ho faty i
Vao mihetsika izy , ianao migafy
Tsy tako-nafenina ianao mampirafy i
Ka raha tsy mitady izy ianao tsy mitafy i
Nefa ah...
Tsara2 hoa tsy lany marina
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina
Soa izy leo vao ahatsapa tena ialahy
izaho tsy mavita ka aleo faranana
******************************
Fa kanjo kay toa nofinofy ny azy
Fa sendra ny tolana izy,f a tsy le nofinofiny no azo
Tsy lay ho vady mandra-maty fa lay fofofofony ihany
(Lay fofopofony ihany)
Fa kay tsy tokana fa be lokoloko ny azy
Tsy lay mba nadio fo fa be lotoloto ny azo
To lasa ranomaso ilay mba nofinofy ho azy
(Nofinofy ho azy )
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Johane
Hits : 5797
Likes : 0 Like
Created by : bean.twerk19
Date : 09/12/2019 15:26
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218