ALEOKO MISINTAKA (Johane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niezaka foana za nanao izay nety,
Mba hahasambatra anao, ekena vetivety !
Fa ela ihany ny ela, izao sisa no niafarany,
Izao ny fiainana tavela,
‘Zaho mba nanofinofy sady mba nanantena,
Fa rehefa feno ny rano,
Tsy maintsy hitobaka ny rano amin’ny vera.

Dia aleoko misintaka, nikisaka,
Tsy vitako ny antsika,
Fa nomeko fahatokisana,
F’ianao kay no namitaka,
Izao lasa niparitaka ny saiko,
Fa mody ataoko tsy halahelo anao za,
‘Zao izao ny fianantsika vita,
Ka aleoko za nisintaka,
Hadinoy ireo zavatra vitantsika hatram’izay,
Ny fiainako dia vitako fa ianao aza manahy,
Dia mody ataoko hoe tsy tia anao za !
Nefa ny hariva…
Toa mahatsiaro malaheloelo anao za,
Manantena fa rahampitso mbola hanadino anao ihany.

Milamila anao ny foko, mivadibadika aminao ny lohako,
Nefa dia atao ahoana moa ? tsy misy azoko atao,
Fa ho soritako ny lalako,
Hanalavitra anao za, hanalavitra anao za,
Hanala anao mba tsy ho namako,
Na dia haiko fa za mbola hatsiarotsiaro,
Tsy ho adinoko fa ho tantara sisa.

Aleoko misintaka, nikisaka,
Tsy vitako ny antsika,
Fa nomeko fahatokisana,
F’ianao kay no namitaka,
Izao lasa niparitaka ny saiko,
Fa mody ataoko tsy halahelo anao za,
‘Zao izao ny fianantsika vita,
Ka aleoko za nisintaka,
Hadinoy ireo zavatra vitantsika hatram’izay,
Ny fiainako dia vitako fa ianao aza manahy,
Dia mody ataoko hoe tsy tia anao za !
Nefa ny hariva…
Toa mahatsiaro malaheloelo anao za,
Manantena fa rahampitso mbola hanadino anao ihany.

Foko maratra fa ny saiko tsy mino,
Hoe za sy ianao no hifanadino,
Mbola mametsovetso ny hatr’izay,
Indrisy, ‘tsika roa tsy ho iray.
Dia aleoko misintaka, nikisaka,
Tsy vitako ny antsika,
Fa nomeko fahatokisana,
F’ianao kay no namitaka,
Izao lasa niparitaka ny saiko,
Fa mody ataoko tsy halahelo anao za,
‘Zao izao ny fianantsika vita,
Ka aleoko za nisintaka,
Hadinoy ireo zavatra vitantsika hatram’izay,
Ny fiainako dia vitako ianao aza manahy,
Dia mody ataoko hoe tsy tia anao za !
Nefa ny hariva…
Toa mahatsiaro malaheloelo anao za,
Manantena fa rahampitso mbola hanadino anao ihany.

Nefa ny hariva…
Toa mahatsiaro malaheloelo anao za,
Manantena fa rahampitso mbola hanadino anao ihany.

Mbola hanadino,
Manantena fa rahampitso mbola hanadino anao ihany,
Manantena fa rahampitso mbola hanadino anao ihany,
Manantena fa rahampitso mbola hanadino anao ihany.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Johane
Hits : 270
Likes : 1 Like
Created by : litarazavar
Date : 09/10/2024 10:06
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779