Raha ho nofy (Jérôme Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Irery kintana ireny
Sy iny volana iny
Raha tambazanao halaiko
Mba ho firavaka
Dia mbola ho nofinofy ihany

Iny habakabaka iny
Sy ireny rahona ireny
Raha finidinao ho akany
Mba ho fonenana
Dia mbola ho nofinofy ihany

Fa raha ireny no firavakao
Iny habakabaka iny no dxpbnhm fonenanao
Dia masoandro hamiratra eny
Ny foko tia anao

Eny ny fitiavantsika
Hiara-dia am-panahy
Ka ny hira tsara indrindra
No ho kaloiko ao
Dia rrinzo ny vetsom-poko tia anao

Raha ho nofy ihany izao isika izao
Dia naleoko hatrany tsy nahalala anao
Saingy fitia te ho sambatra
Tiana sy tia tafatambatra
Ka ny zavatra hitan'ny maso
Dia mitory fitia ankamantatra

Ho anao, anilanao, ny vetsom-poko tia anao tononkira.serasera.org  (x4)
_____ ______ ______ ______ _______ ______
Nampiditra cebhgdq : Manda Ny Aina Gabriel ✍🏽
Jérôme Randria {Raha ho nofy}
Je dédie cette chanson pour toiiii *.....🫶🏽

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Jérôme Randria
Hits : 12
Likes : 0 Like
Created by : Adnam
Date : 25/09/2026 22:25
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0287