Te ho toa anao (Jaw's Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fanenjehana mahazo ahy
Jesosy efa niainanao izany
Ny vavan'ireo tsy tia ahy
Tsy nampihontsina anao akory izany
Ny antsoantson'ny Fanahy mpamitaka e
Mitabataba tsy misy fiafarany
F'efa henonao daholo izany fony ianao teto an-tany (×2)

Fa ianao de nibanjina ny lanitra e
Nandohalika nivavaka naharitra e
Na tsy nijery anao intsony aza Andriamanitra e
Die resinao daholo izao rehetra izao
Na ny fasana aza nilaozanao
Mba faniriko ny ho mafy hoatra anao
Ampio aho , Ampio aho

Ny ady sarotra mandreraka ahy
Raha ianao no teo tsy nitaraina
Ny devoly aza naka fanahy
Tsy nahahovoka fa niala maina
Niaretanao raha ny  
Niaretanao ny fampahoriana
Hatramin'ny farany nialanao aina
Tambony hazo fijaliana

Fa ianao de nibanjina ny lanitra e
Nandohalika nivavaka naharitra e
Na tsy nijery anao intsony aza Andriamanitra e
Die resinao daholo izao rehetra izao
Na ny fasana aza nilaozanao
Mba faniriko ny ho mafy hoatra anao
Ampio aho , Ampio aho
Mba tsy hiala aminao

N'inona n'inona ady ho lalovana e
Hamikotra ny tananao
Fa eo ihany no hahatsapako fiarovana e
Ny akaikinao

Eo ihany no fiadanana fantatro
Fa tsy hivadika amiko mandrakizay
Ny Andriamanitro

Mba tsy hiala aminao

N'inona n'inona ady ho lalovana e
Hamikitra ny tananao
Fa eo ihany no hahatsapako fiarovana e
Ny akaikinao

Eo ihany no fiadanana fantatro
Fa tsy hivadika amiko mandrakizay
Ny Andriamanitro

Mba tsy hiala aminao
N'inona n'inona ady ho lalovana e
Hamikitra ny tananao
Fa eo ihany no hahatsapako fiarovana e
Ny akaikinao

Eo ihany no fiadanana fantatro
Fa tsy hivadika amiko mandrakizay
Ny Andriamanitro

Mba tsy hiala aminao

N'inona n'inona ady ho lalovana e
Hamikitra ny tananao
Fa eo ihany no hahatsapako fiarovana e
Ny akaikinao

Eo ihany no fiadanana fantatro
Fa tsy hivadika amiko mandrakizay
Ny Andriamanitro

Fa tsy hivadika amiko mandrakizay
Ny Andriamanitro

Fa tsy hivadika amiko mandrakizay
Ny Andriamanitro
--------
Link:
Comments
FAYDA ( 17/12/2025 07:47)
Annah Harisoa
FAYDA ( 17/12/2025 07:49)
Te ho toa any Jesosy
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Jaw's Band
Hits : 22
Likes : 0 Like
Created by : FAYDA
Date : 17/12/2025 07:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2832