Tompo Zanaharinay (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Matoky anao ilay Tompo sy
Andriamanitro aho
ka mialoka Aminao tsy manana
ahiahy
misaotra Anao mpanome ny soa ny
lanitra
tsy ahasoloiko ireo raha izao tontolo
izao
Matoky anao ilay Tompo sy
Andriamanitro aho
Manolo –tsaina ahaizako ny lalako
Matoky Anao na dia mihafy sy
miharitra
Izay lalana izay dia efa lova t’Aminao

Ref : matoky Anao na dia sarotra
fantarina
Ny fihevitra sy ny fitarianao
Matoky anao ilay Tsitoha Mpanao ny
marina
Be indrafo Rain’ny fiadanana
Matoa mbola toizao aho dia ny
fahasoavanao
No miahy sy mitahiry ka mitaiza
fanahy
Ahafoiko Anao tsy mba ho fihiniko
Izay rehetra momba ahy dia anao
Mpamonjiko

2- Matoky Anao mpihevitra
isan’andro ny amiko
Mandinika ny voa ny saina sy ny fo
Ny andro sy ny aiko tsy misy ahy ireo
fa nindramiko
Ahafoiko ho Anao koa hitoriako ny
asanao
Matoky Anao ilay mpiandry lehibe
Tsitoha
Fiarova manodidina ahy ny tananao
Miandrandra Anao isan’alina
isan’andro koa
Ny fanahiako dia eo ampelatananao

Ref : Matoky Anao na dia sarotra
fantarina …
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 11340
Mpankafy : 6 Ankafizo
Nampiditra : Toocky
Daty : 04/09/2015 20:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0832