TANINDRAZAKO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Tsy ho adinoko anaty vavaka raha ny momba ny nosinay (Tanindrazako io e, tany mamiko)
Dia trotroiko tsisy an-kanavaka mba hanompo fanahy iray oa (hiadana finaritra, handry fahizay)

Tsy ho adinoko anaty vavaka hiara hikatsaka tsotra izao (ny fanjakan'Andriamanitra)
Samy mitodika, tsy ho solafaka hoany Jerosalema vao e (ho madio sy masina, akaikin'ny ray)

Ref.
Tany mamiko io e (Mendrika izy hanaovan-tsoa)
Tany mamiko io e (Tena hiriako hiova fo e)
Tany mamiko io e (Vonjeo hamafazo voa)
Tany mamiko io e
Mila hazavana ny ao (ou Mila hazavana ny ao)
Mila fianarana ao (ou Mila fianarana ao e)
Omeo azy ireo raha mbola(yeny oa oe)azonao atao ehh
Mila maharitra ao (ou Mila maharitra ao)
Mila fitiavana ao (ou Mila fitiavana ao)
D'efa mba fantatr'ao Jesoa Fitiavana

Tena sambatra koa zalah firenena manana an'i Jehovah Andriamanitra io ehh
Ke araraoty jiaby ze andro mbola azo hanaovan-tsoa io
Ke aza tara havako aby e
Mandalo zao fiainana zao

2
Dia io be sady midadasika i Gasikara malalanay (Tanindrazako io e, tany mamiko)
Mahatsiaro samy ho voakasiky am'zava-mitranga iray oa (Satria ny fihavanana no hibeazanay)

Na andrefana n'Atsinanana na Iarivo dia tany iraiky io ah (Samy Malagasy, samy miavaka ô)
Ouhh Toliary ka n'Antsiranana fa na lavitry fa mahay e (Mifanolo-tànana, m'fanampy izahay)

Ref *2
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Hits : 284
Likes : 0 Like
Created by : lumina
Date : 18/06/2023 09:39
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725