MIANTSO ANAO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miantso Anao Aho Jesosy,
Miantso Anao Mpanafaka,
Handrava Sy Hanapaka,
Ireo Nanotako Taminao,
Mitalaho Aho Ry Tompo Ny Hampahiratanao Koa,
Ny Masom-panahiko, Mahantra Aho Ka Amindrao Fo,
Toky Sy Fanekena Fo Mangorakoraka,
No Entiko Miantoraka An-tongotrao Jesosy Ô !
Miantso Ny Anaranao Io Ihany No Hery Ankiray,
Tokana Mahasitrana Ahy,
Tena Fiadanako Mandrakizay.

Miantso Anao, Toy Ilay Jamba Nantsoantso Ny Anaranao,
Aiza Ianao, Ireo Manakana Tsy Ahoako Fa Mino Ahy,
Jesosy (tsy Avelako Raha Tsy Tahianao, Nampinoana Ahy Fa Tia Ahy Ianao)
Jesosy (ny Asa Maro Efa Nasehonao E,
Manamafy Izay Tsy Maintsy Atao)
Miantso Anao Na Dia Sombiny Avy Eo An-databatrao,
Manaiky Aho, (fa Sahaza Ahy Tokoa)
Iankohofako Eo An-tongotrao,
Miantso Anao (voatafy Hery Ny Anaranao)
Antsoiko Tsy Mitsahatra (miantso Anao, Miantso Anao)
Henoy Izao Fifonako Izao.

Miantso Anao Aho Jesosy,
Hiteny Mafy Eo Aloha,
Fa Raha Izay Heriko Moa,
Mahery Ny Onja Andehanako,
Tsapako Fa Tsy Irery Aho,
Tsapako Ankehitriny Izao,
Ny Lanjan’ny Fitiavanao,
Maty Noho Ny Amiko Ianao,
Koa Izay Androko Sisa,
Aleo Hiverenako, Tsy Misy Hanenenako,
Raha Ny Fodiako Aminao,
Hoavy Koa Ilay Maraina,
Andro Izay Hisehonao,
Iambenanay Dien’izao,
Ho Mendrika Raha Manatrika Anao.

Miantso Anao, Toy Ilay Jamba Nantsoantso Ny Anaranao,
Aiza Ianao, Ireo Manakana Tsy Ahoako Fa Mino Ahy,
Jesosy (tsy Avelako Raha Tsy Tahianao, Nampinoana Ahy Fa Tia Ahy Ianao)
Jesosy (ny Asa Maro Efa Nasehonao E,
Manamafy Izay Tsy Maintsy Atao)
Miantso Anao Na Dia Sombiny Avy Eo An-databatrao,
Manaiky Aho, (fa Sahaza Ahy Tokoa)
Iankohofako Eo An-tongotrao,
Miantso Anao (voatafy Hery Ny Anaranao)
Antsoiko Tsy Mitsahatra (miantso Anao, Miantso Anao)
Henoy Izao Fifonako Izao.

A/c : Rajaonarivelo Germain
©ilaynantenainy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Hits : 526
Likes : 0 Like
Created by : ilay7nantenainy
Date : 13/04/2023 15:39
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072