AVELAO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avelao Handray An-tanana Anao Aho,
Mandra-pahantitrao Izaho No Hisahirana,
Mialofa Ao Ambany Elatro Ao,
Izaho No Hitondra Anao, Ao Ianao Tony Am-panahy,
Na Hikendry Anao Ny Fahavalonao,
Ny Finoanao Ahy no Ampiasao Fa Tsy Misy Intsony Azony Atao,
Manda Lehibe Ho Aronao Ny Anarako.

Tena Tsy Foiko Satria Zanako, Tiako Hitoetra Foana An-tratrako,
Harovako Sady Ho Fahanako, Hiadidiako Fa Asan’ny Tanako.
Avelao Ho Ahy Ny Adinao Fa Hangina Ianao Ny Masoko Mijery,
Tsy Hahajanona Eo Anoloanao (ny) Fahavalonao, Ianao Tsy Miady Irery.

Avelao Hatreo Ireo Lala-nombanao,
Dia Ho Sitraniko Ny Aretinao,
Tiako Indrindra Ianao Mba Ho Fahazavana Ho Fianarana Ho An’izao Tontolo Izao.
Avelao Koa Ireo Teny Fikasana Hanapaka Feno Ao Am-ponao Dia Hivoha Ho Anao Ilay Tany Kanana,
Voavoatra Ho Anao, Tany Soa Hiadananao.

Manana Toky Mampanantena Aho,
Izaho No Hiantoka Ny Ahatafita Anao,
Ny Entana Maro Nivesaranao Tsy Ho Hitanao Intsony,
Miomana Ianao.
Avelao Ho Ahy Ny Adinao Fa Hangina Ianao Ny Masoko Mijery
Tsy Hahajanona Eo Anoloanao (ny) Fahavalonao,
Ianao Tsy Miady Irery.

Tena Tsy Foiko Satria Zanako,
Tiako Hitoetra Foana An-tratrako,
Harovako Sady Ho Fahanako,
Hiadidiako Fa Asan’ny Tanako.
Avelao Ho Ahy Ny Adinao Fa Hangina Ianao Ny Masoko Mijery
Tsy Hahajanona Eo Anoloanao (ny) Fahavalonao,
Ianao Tsy Miady Irery.

A/c : Rajaonarivelo Germain
©ilaynantenainy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Hits : 311
Likes : 0 Like
Created by : ilay7nantenainy
Date : 13/04/2023 15:21
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2902