APETRAKO AMINAO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Apetrako Eo An-tananao Izao Fiainako Eto Izao Hifankazarako Aminao,
Na fanaovana Io, Fikasana Koa, An-tananao No Fahombiazako,
Tompo Ô Meteza ! Mampahereza E !
Tafio Fahamasinana Aho, Ho Tia Fahamarinana,
Hivelona Amin’ny Fanantenana.

Apetrako Eo An-tananao Izay Rehetra Mahakasika Ahy Indrindra Fa Ny Ara-panahy,
Sarobidy Izy Io, Tohano Sy Tariho Hanaraka Izay Voasoritrao,
Tompo Ô Meteza ! Mampahereza E !
Tsy Mahatokan-dalana Aho Fa Ilay Tsorakazonao,
Io No Heriko Mahafa-tahotra Ahy.

Ny Saina Sy Hevitrao Lalina Dia Tsapako Anatiko Ao,
Itondranao Ahy Andro Aman’alina,
Misaotra Jesosiko.
Ireo Toky Omenao Tsaroako Mampahery Ahy,
« Izaho Tsy hahafoy Anao », « izaho Hiady Ho Anao. »
Hahita Fandresena Handray Loka Avy Aminao,
Ho Lovaiko Aminao Rahatrizay.
Eo An-tananao ( Eo An-tananao)
Manantena Aho (manantena Aho)
Fa Hamiratra (hamiratra Amim-boninahitra)

Apetrako Eo An-tananao Fa Vao Tany Ambohoka Aho Dia Efa Nanomananao Fiainan-tsambatra,
Ho Mpanandratra Ny Anaranao Sy Voninahitrao,
He Ny Hatsaranao ! Misaotra Indrindra E !
Mpanompo Tsy Mahasoa Nefa Vokatry Ny Fo,
Ho Tia Anao, Hanoa Sy Hanaja Anao.

Apetrako Eo An-tananao Raha Tsy Maintsy Hitondra Aho Ny Hazo Fijalianao,
Efa Lalana Io, Voadiko Eto Anio,
Iombonako Tanteraka Aminao,
Ray Sady Zoky, Nomenao Toky Ao,
Ny Fiaretako Hoy Ianao Hampodianao Tsotra Izao
(ho) Fiadanana Sy Fitsaharana.

Ny Saina Sy Hevitrao Lalina Dia Tsapako Anatiko Ao,
Itondranao Ahy Andro Aman’alina,
Misaotra Jesosiko.
Ireo Toky Omenao Tsaroako Mampahery Ahy,
« izao Tsy Ahafoy Anao », « izao Hiady Ho Anao. »
Hahita Fandresena Handray Loka Avy Aminao,
Ho Lovaiko Aminao Rahatrizay.
Eo An-tananao ( Eo An-tananao)
Manantena Aho (manantena Aho)
Fa Hamiratra (hamiratra Amim-boninahitra)
Eo An-tananao ( Eo An-tananao)
Manantena Aho (manantena Aho)
Fa Hamiratra (hamiratra Amim-boninahitra)
Hamiratra Amim-boninahitra
Hamiratra Amim-boninahitra.

A/c : Rajaonarivelo Germain
©ilaynantenainy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1581