Gasikarantsika (Herilalarasolo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Gasikara mamy tiako tsy foiko ianao
Ireo tantaran-drazantsika mampiavaka anao
Anananao avokoa ireo harena marobe
Kolontsaina, fomba amam-panao soatoavina aoka re

Gasikara mamy tiako tsy foiko ianao
N’aiza n’aiza toerana naleha mbola tsisy ohatranao
Manamarika anao avokoa zava-kanto marobe
K’andao hasandratra ambony ity nosintsika re!

Ref: Mifankatiava tsika zalahy e! Mifankatiava e!
Mifandefera antsika re roy ô
Izay ho aho ́no vahaolana mety e ( izay no tena mety e)
Mifanampy, mifanao soa, ho mpinamana avokoa
Mifankatiava e( oooe oooe oo)
Miraisa hina ( oooe oooe oo)
Andao hifanaja e ( oooe oooe oo)
Fa samy malagasy e ( oooe oooe oo)
        Mifankatiava e.....
         Soooma!!!!

Gasikara mamy tiako tsy foiko ianao
Tsy ialako na atakaloko fa hotompoina ianao
Ry malagasy namako o! Andao hiara dia
Mba hampandroso sy hanatsara ity tanintsika ity

Ref: Mifankatiava antsika zalahy e,......

Na avy any antsimo na avy any avaratra ianao
Ny andrefana sy ny antsinanana koa
Ho mpinamana tsy hifanary, miombona tsy hifamaly
Mino aho fa ho azontsika ny medaly
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Herilalarasolo
Hits : 117
Likes : 0 Like
Created by : Herilalarasolo
Date : 19/03/2026 17:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
more...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0996