Vavaka (Hanitr'ilay Fo Tia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Intreto izahay o ry Tompo o
    Mitsaoka Anao sy midera Anao
    Andro natokako Anao izao
    Ka raiso ry Tompo ireto mpanomponao
Eny mivavaka aho, mivavaka aho, miresaka Aminao
Mivavaka handray Anao ao am-po
Eny miantso Anao, miansto Anao, o ry Tompo Andriamanitray
Inty aho fa miondrika Aminao

2- Ndreto izahay o ry tompo o
    Tsy hanonona afatsy ny Anaranao
    Andro natokako ho Anao izao
    Ka henoy ry Tompo ireto mpanomponao
Eny hitory aho, hitory aho, ny teny maminao
Hitory amin-kira ny hafatrao
Eny tsy hangina aho, tsy hangina aho, o ry tompo be fitia
Inty aho hanao ny sitraponao

3- Ndreto izahay o ry tompo o
    Miaiky heloka fa diso
    Andro natokako Anao izao
    Ka ekeko ry Tompo ireto mpanomponao
Eny mifona aho, mifona aho, mitalaho aminao
Mangata-pamelana an'ireo heloka natao
Eny miangavy anao, miangavy Anao, o ry tompo mamelà
Inty aho fa miaiky anatrehanao

Eny misaotra Anao, misaotra Anao, misaotra Anao ry Ray
Fa nohenoinao sy nankatoavinao izahay
Eny deraina ianao, deraina ianao, deraina ny anaranao
Tompo be fitia sy mpamindra fo Ianao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hanitr'ilay Fo Tia
Hits : 520
Likes : 1 Like
Created by : sumahefa
Date : 16/11/2021 20:30
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768