Menatra aho (Hanitr'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Menatra aho
Toa tsy sahy anantona Anao
Vahotra, ny ao anatiko ao
Tsapako fa manindrona ao am-po
Ny vesatry ny otako.

Menatra aho, matahotra aho
Nefa ho aiza moa
Tompo ô, no haleako!
Ray ô, noho ny ràn'i Zanakao
Dia indro fa manantona aho.

Ref:
Fo maloto sy feno ratsy ka tsy mendrika ho Anao
Tena tsy mahatehotia fa lamba mihosin-drà
Mba sasao amin'ny ràn'ilay Zanakao
Fa iriko ny ho madio sy vaovao.
....
Mino aho fa Ianao dia fitiavana
Ka handray sy hamela ahy
Reko fa izay manantona Anao
Dia tsy mba misy lavinao

Inty aho, fa vonona aho
Ho mpanomponao hatrizao sy ho mandrakizay!
Ray ô, mba fikiro mafy aho
Tsy hiala eo anilanao.

Ref:
Fo maloto sy feno ratsy ka tsy mendrika ho Anao
Tena tsy mahatehotia fa lamba mihosin-drà
Mba sasao amin'ny ràn'ilay Zanakao
Fa iriko ny ho madio sy vaovao.

Chœur:
Ray ô, mba fikiro mafy aho
Tsy hiala eo anilanao.

Ref:
Fo maloto sy feno ratsy ka tsy mendrika ho Anao
Tena tsy mahatehotia fa lamba mihosin-drà
(Mba sasao amin'ny ràn'ilay Zanakao)
Fa iriko ny ho madio sy vaovao.
...
Fa iriko ny ho madio sy vaovao
(Ho Anao...)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hanitr'i Kristy
Hits : 679
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 21/01/2024 02:46
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721