Modia (Groupe Feo mitaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tsy mba sasatra Izy miandry anao
    Miantso isan'andro, manao antsom-pitia
    Feo malefaka no manakoako mora
    Mibitsika manao mba modia

    Ref: Be ny haratsiana efa vitanao; nandratranao Ahy
           Namoizanao Ahy koa ny ditranao; f'ianao tiaviko foana
           Mba tiako ho ahy irery anie ny fonao
           Mba Miverena ; f'efa ela anie Aho no niandry anao
           Mba modia amin'izay (Modia amin'izay )x3

2. Hirahira ampieritreritra anao
    Teny avy ao am-pony izao kaloinay izao
    Miverena Ianao, ho kolokoloiny
    Miantefa any aminao 'zao teniny izao

    Ref: Be ny haratsiana efa vitanao; nandratranao Ahy
           Namoizanao Ahy koa ny ditranao; f'ianao tiaviko foana
           Mba tiako ho ahy irery anie ny fonao
           Mba Miverena ; f'efa ela anie Aho no niandry anao
           Mba modia amin'izay (Modia amin'izay )x3

3. F'efa betsaka ireo ditranao 'zay
    Heloka be dia be; nefa tiaNy ianao
    Na ny ainy aza anie, efa nafoiny; mba hamonjeny anao
    Saingy Indrisy Ianao; minia manadino
    Lay fitiavan'ny Ray fa tsy noraisinao
    Mbola miandry Izy anio, tsy mba sasatra miantso
    Modia fa mbola fotoanany izao

    Ref: Be ny haratsiana efa vitanao; nandratranao Ahy
           Mba tiako ho ahy irery anie ny fonao
           Mba Miverena ; f'efa ela anie Aho no niandry anao
           Mba modia amin'izay (Modia amin'izay )x3

"Modia " Groupe Feo mitaona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Feo mitaona
Vangy : 16
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 17/06/2026 15:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0384