Medley (Cover Mickael) (Green)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mihevitra foana aho fa toy ny omaly ihany
Ny fiainanao hatrizay
Miezaka ihany aho ny hoe hamalifaly anao.
Tsapako izao fa toa very maina ihany
Ireo ezaka natao hatrizay
Niova ianao, nanjary lasa Mampiahiahy.

Fantatrao f'ianao io ihany anie 'lay niriako hatrizay
Nihevitra aho fa raha ny handao ianao tsy ho sahy
Hamela ahy hangahiahy.

Rahoviana vao mba ho tsapanao io ihany
Rahoviana vao mba ho raisinao
Ilay fitiavako anao mitombo hatrany hatrany
Miboiboika tsy mety ho lany.
'Reo fotoana kely mba niarahantsika
Inoako fa tantara mbola tsy ho vita
Koa miangavy anao aho raha azo atao
Ndao hanorina fiainam-baovao.
....
Teo ianao, nilaza fa ho doria ny antsika
Izao ianao, milaza f’efa leo ka hiova famindra.
Teo ianao, nanamafy hatrany fa tia
Izao ianao, milaza f’efa leo ka hisampana ny dia.

Teo ianao nitia ahy, nanampy ahy
Nitombo hatrany ilay fitia
Fa izao tomany aho, marary aho, mijaly aho
Satria....nilaozanao.

Hadalana ve ny ahy,
Raha hifikitra amin’ny fitiavanao
Nefa ianao te handao
Hamela ahy irery toy izao.
Tsy omeko tsiny nefa ianao
Saingy izaho no mijaly satria
Ianao(4) lava izao
Tsy afaka an-tsaiko
Hanigotra ny aiko o!
....
Fo roa mitempo iray satria
Vonona hiaraka ho doria.

Ka manombok’izao, dingana iray no hatao
Hery iray vaovao ho ahy sy ianao
(Hery iray vaovao ho ahy sy ianao!)
Averintsika eto indray, ireo dina fanao hatrizay
Mariky ny fo roa mitempo ho iray
(Ny fo roa no mitempo ho iray!)

Na, na na na na na!!
Na na na na na na, na na na!!
Hery iray vaovao ho ahy sy ianao
(Hery iray vaovao ho ahy sy ianao!)

Na, na na na na na!!
Na na na na na na na na na!!!
Mariky ny fo roa mitempo ho iray

Na ho potraka aza ianao, izaho hampiarina anao
Na ho solafaka aza isika, hinoako fa tsy maintsy ho tafi...ih ih ih!,iih! iih!!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Green
Hits : 293
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 27/07/2023 01:09
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719