MANKALAZA AN’ANDRIAMANITRA (FEFI)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mankalazà an’Andriamanitra Ry mponin’amin’izao tontolo izao
Ka ny dera sy ny laza sy hery sy haja
Ny saotra sy ny voninahitra
Ventesinay sy hasandratray
Ho anao mpamorona anay mpanjakany
Ny hazavana mamirapitratra
No manesika ny fonay hisaotra anao
Ka ny dera sy laza sy hery sy haja
Ny saotra sy ny voninahitra
Mendrika ho anao sahaza anao
Ka raiso sy ankasitraho ankasitraho
1
Tsapako ato am-poko Fa tia ahy loatra hianao
Tena tsaroako ilay feonao
Mandona hatrany anaty
Hitodika aminao, Hiverina aminao Hanao ny sitrakao
2
Reko ato anaty ’Lay singam-boatsinampy
Niantefa tato am-poko, Zay tena finoako
Mandrobona amin-kery
Hitombo sy hamoa Ny teninao soa, Ho vokatra tokoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : FEFIHits : 960
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 18:00