LAMBA (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy ny hamarinanao no lamba itafianay Amin’ny andro farany (x2)
Lamba lamba itafianay Ny hamarinanao amin’ny andro farany
Ka mba atafionay ry Tompo tia Ka tena mba haharitra ho doria

Jesosy ny hamarinanao no toky sy herinay amin’ny andro farany (x2)
Toky sady hery ho anay Ny hamarinanao Amin’ny andro farany
K’isaloaranay rehefa rahatrizay Handroso ao andapan-dray Tsitoha

Ref
Atafio anay ny hamarinanao ry ray, Ray o
Mba ho isan’ny mpandova ny mandrakizay
N’inona n’inona mety hitranga amin’ny fiainanay
Aza avela ho resy izahay ry Andriamanitray
Omeo fahendrena tolory finoana Ho mpandresy izahay (x2)
Lamba, lamba, lamba Mbola vao tsy ho rovitra
Na levona ‚zao tany zao Dia tsy ho rovitra io,
satria Havaozin’Andriamanitra
Ka itafio Jesosy fahamarinana
mba ho isan’ny mpandova fiainana
Mandrakizay mandrakizay doria.

Jesosy ny hamarinanao no toky sy herinay amin’ny andro farany (x2)

Josea
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FEFI
Hits : 1158
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:57
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.6687