HO MPIANATRAO (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Miantso ny Anaranao izahay (‘Zahay)
Am’izao ora sy fotoana mamy izao
Ry Andriamanitra Tsitoha Mpanavotra anay
Manatreha anay Hianao
Notanterahinao ny Teny fanekenao
Tsy mba hamela anay ho irery tokoa Hianao
Indro narotsakao aminay ny hafaliana
‘Zay tsy mba azonay vidiana

fiv
Ny fanompoana, tsapa sy tsaroana
Fa mampahery mampitombo finoana
‘Zay mandre (mandre ny teny)
Manavao (ny fanekeny)
Ka ny fo (ny fo nomeny)
Marika (ny fandreseny)
Tsy misy na iray, nolavinao ‘zahay
No raisinao Jesosy ô !
Ho Mpianatrao

2
Inoanay tokoa fa eto Hianao (Hianao)
No miandry ‘reo ‘zay te-hanatona Anao
Ka vonona hiala ny ratsy izay fanao
Hahita izany Tavanao
Indro natsotranao izany Tànanao
Amin’izay rehetra te-hiverina aminao
Handraisanao ny fony, izay tsy mba nety tony
Teny amin’izao tontolo izao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FEFI
Hits : 826
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 14:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202