HIJORO HO LEHILAHY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Henoy ange ry Tompo Ny dinan-janakao
Fa vonona hanompo Hanao ny sitrakao
Hazoto ny hitory Ny hasoan’ny teninao
Na faly na ory Tsy maintsy to ny hafatrao
Na maro aza ny fakampanahy Mamingapingana ahy
Hijoro ho lehilahy Tsy hanan-tahotra fa tena sahy.

2
Vonona ny hisedra ny mafy mety hanjo
Na hisy setrasetra handemy ny ati-fo
Dia hanavao ny dina hamita ny asanao
Na misy fahoriana tsy mba hamoizako anao

3
Na midadasika aza ny tanimbolinao
Ny saiko mbola zaza tafio ny herinao
Vonona ny hamboly hanondraka tokoa
Handresy ny devoly mpanakorontana mba tsy hamoa

4
Ataoko sanatria ny hivadika aminao
Vonona hanara-dia hanoa ny didinao
Indro aho mitalaho hiantoraka aminao
Tsinjovy re ‚ty zaho ho eo ambany elatrao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FEFI
Hits : 1283
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 14:15
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731