Ody fitia (Eric Tahina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa ny saiko
Lasa mankany aminao
Maminavina aho
Izay mety ho ataonao
Lavitry ny maso
Akaiky ny foko kosa ianao
Tsy andriko intsony
Izay hahitako anao indray
Na ody fitia
No nety ho nahatonga izany
Tsy mampiova na inona na inona
Izaho koa efa tia anao rahateo
Na fanaingalavitra
Na mbola ho zavatra hafa koa
Dia tsy mampanahy
Fa vao maika hahasoa
Ny fiarahantsika
Ho mafy orina tokoa
Fa tafaray
Adalam-pitia isika roa
Na ody fitia
No nety ho nahatonga izany
Tsy mampiova na inona na inona
Izaho koa efa tia anao rahateo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Eric Tahina
Vangy : 2537
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 07/10/2002 14:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719