Mpinamana (Eric Tahina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatramin’izay ve niaraka nandeha
Tsy nihevitra ny hoe : hisaraka
Kanjo izao indro ianao
Toa niteniteny faona , toa adala
Nanaratsy ahy, nanenjika ahy
Nefa izao tsy niova
Fa toa ny omaly ihany
Ilay fitia

Refrain:
Efa niova tokoa angamba
Tsy nahatsiaro ny tsimbotry fahiny
Noheveriko hitokisana
Hay papango mifankaiky izy
Aiza intsony irony nahampinamana
Ilay tsy fisiana niarahana
Mbola ao ve ? ilay teny hoe: namana
Ilay valala iray nifanapahana

Hatramin’izay ve miaraka
Nihafy nibanjina ny ho avy
Nizaka mafy
Kanjo izao niova ianao
Izao indray no lazainao adala
Nanabaty ahy, izay nandoto ahy
Nefa ianao no tiako hampiana
Fa sakaizako
Dia ianao

Refrain:

Hatramin’izay ve niaraka nandeha
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Eric Tahina
Hits : 3676
Likes : 0 Like
Created by : milena
Date : 05/07/2003 10:40
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1518