Avy (Edgard RAVAHATRA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avy aho rano tsy mety ritra
Avy aho tsy nisy ditra
Avy aho maty tsy mety maty
Avy dia tsy misy daty

Manaraka foana tsy mety miala
Tsy mahasaraka anao fa adaladala
Mamikitra mafy tsy lany zara ô
Comme si tu grises mon âme
L'hiver est dans mon coeur
Ka mana-manantokantona

Avy aho mando tsy mety lena
Avy aho maina tsy karankaina
Avy aho afo tsy mety lany
Avy velona sy ny avelo

Tsy mety maty fa ao anaty
Mitondra volana mbola hifoha
Mivolambolana ny taloha ô
Comme si tu grises mon âme
Vapeur montant du macadam
Mana-manantonkantona

Avy aho misy tsy mety dify
Avy aho hafatra mampangoraka
Avy aho tsiky tsy misy toraka
Avy dia ela tsy mety folaka

Manaraka foana tsy mety miala
Tsy mahasaraka anao fa adaladala
Mamikitra mafy tsy lany zara ô
En moi l'amour est de retour
Mana-manantokantona.


(Ricky Randimbiarison - Edgard Ravahatra)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Edgard RAVAHATRA
Vangy : 2023
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/03/2014 21:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113