Lokon'ny bandy (Dzao Lahy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Réf:MBA fantatrareo ve ry kala fa hay koa ny bandy
Mba manana loko reveny a
Ireto misy karazany maro ho atolotro anao e
Ka mahaiza mijery a
Zay hitanareo fa ça va,Zay mba hitanareo fa tsara
Zay hitanareo fa mendrika hajaina,mendrika antsoina malala

1)Ny bandy raha tia loko fotsy
Bandy madio Fitiavana
Nefa aza de mahatoky
Izay kobaka ambava aloaky ny vavany a

Ny bandy raha tia loko mainty
Saika fotsy fihodirana
Fa tandremo sao vôfainty
@ bika aman'endrika ianao vao sahirana

Ny bandy raha tia loko mena ndray zao
Voalaza hoe be Fitiavana
Saingy rehefa jerena amin'ny toetra any anaty
Dia janga rahavana

Réf:MBA fantatrareo ve ry kala fa hay koa ny bandy
Mba manana loko reveny a
Ireto misy karazany maro ho atolotro anao e
Ka mahaiza mijery a
Zay hitanareo fa ça va,Zay mba hitanareo fa tsara
Zay hitanareo fa mendrika hajaina,mendrika antsoina malala

2)Ny bandy raha tia loko maitso
Manam-panantenana
Famindrany mijaikojaiko sy milantolanto
Indraindray mihanahana

Ny bandy raha tia loko mavo
Dia somary miavona
Te hananika fôna ny avo fa tsy mety lavo
Fa manana tanjona

Ny bandy raha tia loko manga ndray Zao
Efa zatra mihafy eee
Ka na inona itranga hiaretany fôna
Na hoe ady mafy

Dia izay sy izay oa ry kala ny lokon'ny bandy
Zay azoko omena anareo a
Efa nisy karazany maro e,zay voalazako teo a
Ka iza @ireo no ça va ?Ka Iza amireo no tsara
Ka iza amin'ireo no mendika hajaina,mendrika antsoina malala
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Dzao Lahy
Hits : 208
Likes : 1 Like
Created by : Dzao
Date : 13/08/2023 15:13
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823