Avia Mandrosoa (Dama)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ranomasina sy ny lanitra
Samy manga madio sy mahafinaritra
Manofahofa tànana
Ireo voanio maitso màvana
Ny rivotra madio
Mihira fa andro tsara anio

Avia mandrosoa
Ahirato ny masonao
Gasikara tany soa
Ry Malagasy
Mivonona ianao

Hiaraka hanangana
Trano be iombonana
Fahalalàna no hajoro
Fahendrena no vato fehizoro

Manofahofa tànana
Ny eto an-tànana
Faly sy ravoravo
Fa tafaray ny Malagasy maro

Avia mandrosoa
Miantso anao ny taninao
Ity Nosy lehibe tokoa
Ry Malagasy vohay ny fonao
Hifandray tànana
TIA TANINDRAZANA
Ny fitantànana madio
Io no dina ifanekena anio

(Mozika)

Avia mandrosoa
Miantso anao ny taninao
Ity Nosy lehibe tokoa
Ry Malagasy vohay ny fonao
Hifandray tànana
TIA TANINDRAZANA
Ny fitantànana madio
Io no dina ifanekena anio
--------
Link:
Comments
hery ( 24/08/2023 16:05)
Nosy milalao no lohatenin'ity hira ity raha tsy diso aho
FiraisankinannyTiaTanindrazana ( 25/08/2023 11:01)
Ilay tononkira vaovao io
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Dama
Hits : 318
Likes : 0 Like
Created by : FiraisankinannyTiaTanindrazana
Date : 24/08/2023 15:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778