VONONA AHO (Chorale Taratr'i Maria)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sitrako ry Ray ny safidy nomenao ahyTsy noho ny fahamendrehako fa ny Fitiavanao
Na dia osa sy malemy aza aho dia nantsoinao
Ka ny fahasoavanao no mampatoky ahy
Ray ô vonona aho hanolotra ny tenako ho Anao
Vonona aho ka raiso hanara-dia Anao mandrakizay
Safidiko ny hanompo Anao mandrakizay
Tompo ô, inty aho fa vonona ka iraho
Ny ho Anao satria ampy ho ahy ny fitiavanao
Mahagaga loatra ny asanao maha te hidera
Izany indrindra mahatonga ahy miroso manolo-tena
Indro ny tenako atolotro ho valim-pitia
Faniriako ny hanaraka Anao mandrakizay ho doria
Sarotra ny lalana, malama sady mideza
Ny hery avy Aminao no ho ampingako mateza
Ny Fitiavanao no itokiako hatrany hatrany
Zay efa nambomba ny fiainako mandrak’androany
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Chorale Taratr'i MariaHits : 209
Likes : 0 Like
Created by : ainapremier
Date : 28/12/2023 08:39