mpanota aho (Chorale Taratr'i Maria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpanota aho Tompo ô tsy mendrika Anao
nefa natsanganao ho Zanakao

Nodiovinao tamy fahotako aho
ho mendrika ho zanakao

Tsy navelany ho resin’ilay ratsy aho
nasandrany hiombona amin-Janany

Tsy mivadika Andriamanitra izay miantso ahy
Hiombona amin'ny fahasoavany
Hanan-karena amin'ny teniny sy ny Fahalalana rehetra   O o o

Olombelona aho Tompo o osa sy malemy
Nefa nantsoinao ho irakao

Najoronao tamy fahalemeko aho
Ho mendrika ho irakao

Tsy navelany tamin'ny fahosako aho
F'ankahereziny amin'ny Fanahiny

Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no naha toy izao ahy
Tsy ho foana aho fa eo ny fahasoavany
mampijoro ahy ho iraka  Ooo

Tompo ô! Inona re no atolotro anao
Mba hisaorako Anao

Horaisiko ity kalisim-pamonjena
Ary hantsoiko ny anaranao  
Tompo ô, hisaorako Ianao
Tompo ô, ny tenako atolotro Anao
Tompo ô, vonona aho ho irakao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Taratr'i Maria
Hits : 181
Likes : 0 Like
Created by : ainapremier
Date : 28/12/2023 09:11
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752