Tia anao Andriamanitra (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Toa mahakivy mahaketraka anao izao fiainanao izao
Ka mila hampamoy fo anao
Koa tsarovy ilay Ray izay tia anao hatrizay e
Izy afaka ny hanampy anao

Fa izy tia anao hatrizay e
Ary mbola tia anao hatramin'izao
Fa izy tia anao hatrizay e
Ary mbola tia anao hatramin'izao

Tsarovy fa tiany, fa tiany ianao
Mbola tsy nariany, tsy nariany ianao
Tsarovy fa tiany, fa tiany ianao
Mbola tsy nariany, tsy nariany ianao

2.Raha tsapano fatsy mety mivaly ireo vavaka natao
Katsaho aloha ilay fanjakany
Dia ho valiany ireo antsonao vahany ny olanao
Ka mila faharetanana izany


Katsaho aloha ilay fanjakany
dia hanampy anao ireo zava-drehetra
Katsaho aloha ilay fanjakany
dia hanampy anao ireo zava-drehetra

Tsarovy fa tiany, fa tiany ianao
Mbola tsy nariany, tsy nariany ianao
Tsarovy fa tiany, fa tiany ianao
Mbola tsy nariany, tsy nariany ianao
Fa izy tia anao hatrizay e
Ary mbola tia anao hatramin'izao
Fa izy tia anao hatrizay e
Ary mbola tia anao hatramin'izao

Tsarovy fa tiany, fa tiany ianao
Mbola tsy nariany, tsy nariany ianao
Tsarovy fa tiany, fa tiany ianao
Mbola tsy nariany, tsy nariany ianao

A/C : EPALA Lovasoa Huberto Fortunat.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa
Hits : 1402
Likes : 1 Like
Created by : Huberto
Date : 14/08/2015 09:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0813