Vavaka (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Mba iantraoizahay ô ry RayFa aza avela ho toy izao
Fa miharatsy
Miharatsy anie izao fiainanay zao
Mba tantanonao raha azo atao
Ity firenenay ity
Mba hiadana
Ka hanjakan’ny fifankatiavana
Henoy Ray izao antso izao
Miantso mafy mitalaho
Ny firenenay ity anie (firenenay)
Tsy havelanao hijaly toy izao (in-2)
2 .Mba reseo ny ratsy ry Ray
Fa manjaka eto aminay
Miverina indray
Ilay tao Sodoma, Sodoma fahizay
Ka izany no iantsoanay
Italahoanay aminao
Mba ho tonga am’zay
Ilay fanjakanao nandrasana hatrizay
Henoy Ray izao antso izao
Miantso mafy mitalaho
Ho tonga anie ilay fanjakanao (Hotonga anie)
Ilay fanjakana (efa) nomaninao (in-2)
3. Fiangaviana ihany ny anay
Fa miandry valiny aminao
Kanefa anie
Tsy ny sitrakay no atao fa ny anao
Ianao Ray no mahalala
Ireo izay mety hahasoa anay
Fiangaviana
Fiangaviana ihany no mba ataonay
Henoy Ray izao antso izao
Miantso mafy mitalaho
Kanefa tsy ny sitrakay no atao (tsy ny sitrakay)
Fa ireo izay sitraponao (in-2)
A/C: EPALA Lovasoa Huberto Fortunat
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe FianarantsoaVangy : 948
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hubertoepala
Daty : 08/08/2017 06:51