MANDALO IHANY (Chorale Amboaram-Piderana Mangatany)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1°/ Afaingano ny dianao
Ny hakiviana reseho
Ny Tomponao no jereo
Tanjona iray no ilaina
Dia paradisa mamy
Fonenana rahatrizay

Fehezo ny tenanao (tenanao)
Amin’izay atao
Fa ny eto an-tany anie
Dia fandalovana
Ny vola mety ho lany (ihany)
Ianao miha osa hatrany
Koa mahaiza ianao re
Mandà izany fankampanahy

Ref:
Mandalo ihany
Ny fiainana an-tany
Maharitra re, ny Lanitra

2°/ Mivavaha re dia mitsikia
Na mafy sy mafaitra
Ny onjam-piainana ety
Matokia re, ka miderà
Fa ny Tomponao no
Hanafaka anao

Ny fahavononanao
No andrasan’i Jesoa tia
Fa maro no antsoina
Nefa vitsy no fidiana
Mifahara tsara
Raiso ny fiadiana
Mba anoheranao
Ny andro mampahory ety

Ref:
Mandalo ihany
Ny fiainana an-tany
Maharitra re, ny Lanitra

A/C : Benjamina & Harimanitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Amboaram-Piderana Mangatany
Hits : 934
Likes : 1 Like
Created by : AmboaramPiderana
Date : 17/02/2019 11:38
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738