Soa ihany (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Holazaiko anao fa misy te hiteny fa tsy sahy
Ka ny teny tiany holazaina
Mahakivy mampiferinaina
Mampitebiteby sy ahiahy
Andraso aloha fa feno honohono ilay tantara
Tsy dia tena hay izay mpanambara
Nefa kosa ho’aho ilay teny mihahaka
Ombieny ombieny
Manadala izay voarebireby

Soa ihany (2)
Fa tsy voan’ireny akory ianao
Soa ihany (2)
Fa mijoro hatrany hatrany ianao

Andraso aloha fa mbola misy koa mpandrava laka
Sahy miteny tsy miambakavaka
Fa izay fikezahana atao
Very handamoka tsotr’izao
Andraso aloha fa ny azy volabe no ampiasiany
Olo-maro koa no karamainy
Na ny olom-pirenena
Na ny mbola zazamena
Tsy fidiany izay mety hovidiany

Soa ihany (2)
Fa tsy voan’ireny akory ianao
Soa ihany (2)
Fa mijoro hatrany hatrany ianao

Andraso aloha f’ity no tena loza sy antambo
Misy maivandoha fa matinkambo
Izay te ho deraina hoe mahay
Nefa ny azy rotaka no hay
Andrao aloha fa ataony hoe madinika izy ireny
Nefa tsy hay refesina ny habeny
Ampiadiany an-tsokosoko
Na ny antoko na ny foko
Izay hanorisory no kendreny

Soa ihany (2)
Fa tsy voan’ireny akory ianao
Soa ihany (2)
Fa mijoro hatrany hatrany ianao
(Avelao hanao)
Soa ihany (2)
Fa tsy voan’ireny akory ianao
Soa ihany (2)
Fa mijoro hatrany hatrany ianao

(Bessa et son ensemble)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bessa
Hits : 2195
Likes : 0 Like
Created by : Zoom140268
Date : 04/01/2015 19:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788