Zanak'Andriamanitra (Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Solo :
Ry rahalahy, raha ity no hazakazaka izay voatokana ho anao dia matokia
Fa tsy maintsy, tsy maintsy tafitanao ny làlana sarotra fa
anilanao anie Kristy, tafita ianao fa matokia

Trio :
Ireo ady, izay mavesatra aminao ento eo amin’ny Tompo izao, fa miandry Izy
Ary matokia, tsy maintsy mpandresy ianao amin’izay rehetra atao fa
anilanao ny Mpamonjy, mpandresy ianao fa matokia

Refrain:
(Beso) Na ny aloka
Na ny aloky ny fasana aza no hizoran’ny làlanao
(Beso) Tsy hatahotra
Aoka tsy hanan-tahotra akory ny fo, ny fonao satria
I Jesoa Kristy no efa miara-dia, mitantana anao
(Solo) Làlan-tokana ihany no andraindrainy aminao
Mahereza mivavaka

Refrain...

Feon-kira...

Mitsangàna ary mihazavà
Mijoroa ho tena lehilahy
Miorena amin’ny tsara fa
Momba anao ny Tompo soa
Miadia ny ady tsara
Tanterao izay anjaranao
Matokia aza mba manahy fa
Momba anao ny Tompo soa
(*2)

Ary izao teny izao tadidio
Fa raha toa ianao rahalahy tena mino
Moa misy zavatra tsy ho hainao atao va  ?
Mitsangana
(Choeur) Mandehana

Refrain...

(Solo) Làlan-tokana ihany no handrandrainy aminao
(Trio) Mahereza mivavaka
Ary ataovy amin'ny fo sy amin'ny finoana soa
(Trio) ianao anie olona miavaka
Mpianatr'i Jesoa ary indrindra ihany koa
ZANAK'ANDRIAMANITRA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray)
Hits : 350
Likes : 0 Like
Created by : joantsa
Date : 10/08/2025 12:27
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0216