Tamin'izany andro izany (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nahatana Anao ny fasana
Resinao ny fahafatesana

       Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro
       Dia lasa vao maraina nakany amin’ny fasana
       Maria madeleine nahita fa voahaisotra ny vato
       Dia nampandrenesiny i Piera, nilazany koa i Joany
Ka dia mba lasa koa i Piera sy Joany
Nihazakazaka izy roa lahy
Ka nony tonga teo dia talanjona izy ireo
(Aleloia ! Aleloia) Bis

Fa lasa nakaiza ny Tompo
Toa tsy tazana eto intsony
Fa i Maria kosa nijanona ety ivelany
Niondrika nitsirika ny tao anaty fasana
Kinanjo nisy anjely roa niakanjo fotsy
Ny iray teo an-doha , ny ray teo an-tongotra
    Tsy lasa aiza Izy, tsy lasan’iza n’iza
    Fa tsarovy ilay teny izay voalazany anareo
    Fa tsy maintsy hitsangana izy @ andro fahatelo
   (Aleloia, Aleloia) Bis

Fasana ô! ‘Lay vato mikodana toa tsy nahatana
Fasana ô! Toa tsy nahatana anie ireo tady sy kofehy
Fasana ô! Ianao koa nahita ‘lay andro mibaliaka
Fasana ô! Talanjona ianao sy izao tontolo izao
Fasana ô!........
  
A/C: Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1728