N'inona n'inona hitranga (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) N’inona n’inona hanjo
Hitsapa sy hisedra ny fo
Hitoetra ato am-poko foana Ianao Jesoa
Na tsiky na tomany
Na ngidy na mamy
Ho ato am-poko foana Ianao Jesoa

Izy tia ahy, izaho koa tia Azy
Zaho koa tsy foiny, Izy tsy foiko
Mifankatia ‘zahay, eny, mifankatia zahay
Fa Izy no « Fitiavana »

Fa n’inona n’inona hiseho
N’inona n’inona hanjo
Ho ato am-poko foana Ianao Jesoa
N’inona n’inona hosedraina
N’inona n’inona hozakaina
Ho andry iankinako foana Ianao Jesoa

2) Na ho oram-be mivatravatra
Na ho kapoka sy ratra
Ho ato am-poko foana Ianao Jesoa
Na ho rahom-be mitatao
No hialoha ny lalako ao
Ho ato am-poko foana Ianao Jesoa

Izy tia ahy, izaho koa tia Azy
Zaho koa tsy foiny, Izy tsy foiko
Mifankatia ‘zahay, eny, mifankatia zahay
Fa Izy no « Fitiavana »

Fa n’inona n’inona hiseho
N’inona n’inona hanjo
Ho ato am-poko foana Ianao Jesoa
N’inona n’inona hosedraina
N’inona n’inona hozakaina
Ho andry iankinako foana Ianao Jesoa

N’inona n’inona hidona
N’inona n’inona hihatra
Ho ato am-poko foana Ianao Jesoa
Na an-kasoavana na an-karatsiana
Na fifaliana na fahoriana
Ho andry iankinako foana Ianao Jesoa

                     A/C: Ni RANOELISON
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0467