Miandry anao Izy (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)- Nitotototo hatramin’ny maraina
      Mba nitady zay mety hahasoa
      Indrisy anefa fa niala maina
      Zay natao dia tsy nety avokoa
Onena ianao mijery ireto ankizy
Mipitrapitra tsy mahaloa-peo
Mba nanantena mafy
Kanjo tsy izy, ka nangaina teo
Torovana ianao, valaketraka
Ny alahelo no tena mafonja
Tsy tafatory fa tafapetraka
Nisaina izato onja
Eny, toa adinonao, tena adinonao
Fa ny Tompo anie tsy mahafoy anao e!!!!
Tena ontsa Izy mahita anao mijaly toy izao
      Dondomy izy eee! Fa hovohainy ianao
      Antsoy izy eee!! Fa ho valiany ianao
      Fa tia anao Izy, tsy mahafoy anao Izy eee!
      Miantsoantso Izy fa ianao tsy mandre
      Tsy adinony ianao, tsy foiny ianao
       Sasa-miandry Izy…fa ianao tsy nandeha

2)- Lay nanoratra ity hira ity
      Mba efa voa mafy tahaka anao
      Tsy manoro vohona aho sanatria
      Fa te-hamonjy sy hanavotra anao
      Mitsangana dieny mbola malaina
      Fa raha mazoto tsy afaka intsony
      Araraoty ny andro maraina sy ny rivotra tony

Mitsangana fa aza miferin’aina
Ny Tompo anie ka miandry anao
Mandehana ka ataovy ao an-tsaina
Fa Izy hanampy anao

Antsoy Izy eee!!! Italahoy  Izy eee
Ho hitanao fa ho avy Izy….hanampy anao
Iangavio Izy ee! Andohaliho Izy
Ho hitanao fa ho avy Izy….hamonjy anao

3)- Izaho koa anie, efa ela be
     No voa mafy tahaka anao
     Fa tsy ahy ny safidy
     Fa ny Tompo no mandidy
     Ny famindram-pony
     No nahatonga ahy ho toy izao
     Fa ny Tompontsika tsara eee
     Fa ny Tompotsika tsara e! o!
    Fa ny Tompontsika miantra ee
    Ny Tompotsika manavotra e! o!

Antsoy Izy eee!! Italahoy Izy eee…..
VALIO RAHA SITRAKAO
                                              A/C: Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0764