Lazao Azy (Salamo XCI) (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lazao azy eee
Fa tsy farany akory ‘zany fahafatesana izany
Lazao azy e!
Fa tsy maintsy manantena foana raha mbola eto an-tany
Lazao azy e!
Fa miserana ihany ny tafiotra sy tadio
Lazao azy eee!
Fa mijery azy foana Andriamanitra io
       Ka tsisy atahoranao, fa Izy no miahy anao
       Tsisy atahoranao, tsisy atahoranao
       Na areti-mifindra, na loza mihantra
       Tsisy atahoranao, tsisy atahoranao
       Fa Andriamanitra, Dia tsy mijery fotsiny anao
       Andriamanitra dia miantra foana foana anao
       Koa matokia Azy e! aza manary Azy e!
       Fa Andriamanitra tsy mba hanadino anao

Lazao azy e !!!
Fa tsy hifarana eto akory izany fiainana izany
Lazao azy ee !!!
Fa mbola hisy tena fiainana any ankoatra any
Lazao azy eee
Matokia, mitrakà fa aza mitanondrika intsony
Lazao azy eee
Fa mijery azy foana Andriamanitra ambony
    Ka tsisy atahoranao, fa Izy no miahy anao
    Tsisy atahoranao, tsisy atahoranao
    Na areti-mifindra, na loza mihantra
    Tsisy atahoranao, tsisy atahoranao
    Fa Andriamanitra, Dia tsy mijery fotsiny anao
    Andriamanitra dia miantra foana foana anao
    Koa matokia Azy e! aza manary Azy e!
    Fa Andriamanitra tsy mba hanadino anao
    Ka tsisy atahoranao, tsisy atahoranao
Tsisy atahoranao o! o!
Tsisy atahoranao
Ka tsisy atahoranao
Fa Izy no miahy anao
Tsisy atahoranao, tsisy atahoranao
Na areti-mifindra, na loza mihatra
Tsisy atahoranao (x11)
Fa Andriamanitra tia anao
Lazao lazao azy e!! aza kivy hono ianao
Tsy mila kivikivy izany ee!!!
Ny fiainana an-tany
Aza matahotra, itokio ny Tomponao
Matokia ny Tomponao
                                                                        
                                                                    A/C: Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0757