ANTSO HO ANAO IZAO (APAL EKAR BEMASOANDRO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy sanatria hoe filam-boninahitra no anaovako izao asa ataoko izao,
Fa asa fanompoana an’Andriamanitra Tsitoha sy iderako ny Anara-masiny
Fa Kristy mihitsy no naniraka ahy andeha hitsangana hampandre sy hitory hoe:
“Ilay fanjakan’Andriamanitra ho avy tokoa”, mba tsy ho diso anjara ianao!

1- Ny ora sy minitra anananao atokany mba hiderana Azy,
F’Izy anie efa ela no sasa-miandry anao, miandry anao hiverina Aminy,
Fa raha ianao no mifona: miaiky izay rehetra ota vitanao,
Lazaiko anao fa ianao: olom-baovao ianao manomboka izao!

2- N’inona hamafin’ny ady atrehinao na miaritra zava-marary aza
Izy Tompo no efa nilaza taminao: “izay rehetra te hanara-dia ahy:
Fahoriana, fijaliana no tsy maintsy iaretany raha mbola ety”,
Fa ny ady izay atrehinao no hitondra anao amin’ny fandresenao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : APAL EKAR BEMASOANDRO
Hits : 667
Likes : 0 Like
Created by : APAL
Date : 30/12/2020 19:41
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5872