FIFANKATIAVANA (Antsa an'i Kristy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny teninao Jehovah RayNy anatrao no nampiray
Na tsy mpihavana aza izahay
Dia afaka ny hifandray
Sy tena mifankatia tokoa
Fa Jeso nampianatra ny soa
Na anaty sarotra aza izahay
Dia afaka hifanohana tokoa oooooooo
An-tany lavita izahay
Hitory teny am-panahy
Kanefa dia tsy mba manana ahiahy
Fa teo ilay mpianatra miray
Nomenao fanahy hendry koa.....
Ka vonona ny, hanao ny soa
Izany no tanteraka,
Dia no Ianao ry Jeso Soa
Satria Ianao no loharan-tsoa oooooo
Io teninao io nanova ahy
Voadio ny saina sy fanahy
Iriko mba hiova, ny fitondran-tenanay
Ho mendrika Anao tokoa ry Ray
’Ndrindra ireo mpino namako
Hiray fo sy saina amiko
Hifampitanana, hiara-dia hatramin’izao
Hitandro ny fifankatiavana (3 fois)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Antsa an'i KristyHits : 9035
Likes : 2 Like
Created by : admin
Date : 27/08/2006 14:39